mercredi 3 novembre 2010

FTM : niova sata, mibaby trosa miavosa…

Niova sata ny Foibe Taontsaritanin’i Madagasikara na ny FTM araka ny didim-panjakana 2010-0395 tamin’ny 9 Jona 2010 teo. Lasa « établissement public à caractère administratif (EPA) » izy manomboka izao raha « établissement public à caractère industriel et commercial (EPIC) » izy teo aloha. Niova araka izany ihany koa ireo mpitantana, ary omaly talata no natao ny famindram-pitananana teo amin’ny « administrateur délégué » teo aloha, Andriamihanina Rija, sy ny tale jeneraly vaovao Razafindrabe Franck, ary ny filohan’ny filankevi-pitondrana vaovao, Ravokatra Seth. Mbola misedra olana ara-bola amin’izao fotoana izao ny FTM, santionany amin’izany ny trosa miavosa amin’ity orinasa ity.

Teo ny trosa tamin’ny alalan’ireo vola nindramina ka tokony haverina amin’ny fanjakana na “dette financière” izay mitetina 283 tapitrisa ariary mahery.

Teo koa ny trosa ara-tsosialy na ny “dette sociale” izay vola tokony ho naloan’ny FTM any amin’ny CNAPS ho an’ireo mpiasa ka tsy voaloa sy ny resaka sosialy hafa toy ny vola natokana ho an’ireo marary sy ny maty. Amin’ny ankapobeny dia mitetina 306 tapitrisa ariary izany. Hany ka maro ireo mpiasa nisotro ronono nanomboka ny taona 2006 no tsy mandray vola fisotroan-dronono na “pension”.

Ny karazany fahatelo dia ny trosam-panjakana amin’ny FTM amin’ny alalan’ny hetra isan-karazany na ny “dette fiscale”. Izy io kosa dia mitetina 991 tapitrisa ariary mahery.

Ankoatra ireo dia nanomboka ny volana jolay teo no tsy nandray karama intsony ny mpiasa ao amin’ny FTM.

"Matoa nirosoana ny fanovana ny sata mifehy ny FTM dia mila vokatra tsara ho fametrahana ny FTM amin’ny toerana tokony hisy azy isika", hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fitsinjaram-pahefana Hajo Andrianainarivelo. "Fananam-pirenena ny FTM", hoy kosa ny tale jeneraly Razafindraibe Franck, "ka tokony hapetraka amin’ny toerana tokony hisy azy, raha naneho ny fahavononany handray ny andraikitra amin’ny fanarenana ity orinasa ity".

"Efa misy ireo fepetra noraisina ny amin’ny fanefana ireo trosa ireo sy ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, olana izay tokony hovahana haingana", hoy ny minisitra. Nisy rahateo ny fihaonana tamin’ireo mpiasa omaly, ka nahafahana nanome toky azy ireo amin’izay famahana ny olana mianjady amin’izy ireo izay.

Anisan’ny sehatra tokony hampidi-bola ny FTM ny resaka fanotana printy na “imprimerie” ny fivarotana ireo sarin-tany, ny fananany ireo toerana fanamboarana fiarakodia na “atelier”, ny fananany “bureau d’étude” na ny fahafahany manara-maso ny asa.

Fantatra omaly fa anio alarobia no hanomboka ny fanadihadiana na “audit” ao amin’ity orinasa ity.